Atrikasa « Akory e! » : tanterahina etsy amin’ny tranombokim-pirenena

0

Isany hetsika hanabe voho ireo fiteny malagasy marolafy ny hetsika Akory e! tanterahina etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy nanomboka androany. Atrikasa izay iarahana amin’ireo avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara, hisy ny fehin-kevitra havoka aorian’izao atrikasa izao.