Avaradrano : nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana Sosialim-bahoaka

0

Avaradrano : nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana Sosialim-bahoaka

Taorian’ny fampiatoana noho ny fandaminana tsy maintsy natao, natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana sy ny Sosialim-bahoaka ho an’ny Distrika Avaradrano ka ny ao Alasora no nanombohana azy. Olona manodidina ny 2000 no nisitraka fanampiana androany ary mbola hitohy rahampitso. Aorian’izay vao hiroso amin’ireo Kaominina hafa mifanolo-bodirindrina amin’ny Antananarivo renivohitra.