BAII : tombony ho an’i Madagasikara

0

Azo ampifanarahana amin’ny fanatanterahana ny vina samihafa entina mampandroso ny firenena ny nidiran’i Madagasikara tamin’ny AIIB na ny Banky Aziatika ho an’ny famatsiam-bola ny fananganana fotodrafitrasa, hoy ny mpahay toekarena. Hotanterahana ny faha-12 sy 13 jolay ho avy izao any Luxembourg ny fihaonana isan-taonan’ny AIIB, ary isany mandray anjara amin’izany i Madagasikara.