Bakalorea : nanomboka ny fitokana-monina ho an’ireo manomana ny laza adina

0

Nanomboka omaly ny fitokana-monina na ny « quarantaine » ho an’ireo mpisehatra isan-tokony hanomana ny  laza adina bakalorea. Namafisin’ny minisitra tomponandrakitra fa voahaja ny tetiandro hirosoana amin’ny fanadinam-panjakana. Torak’izay ihany koa ny fanaraha-maso tsy hisian’ny mety ho fivoahan’ny laza adina alohan’ny fotoam-panadinana.