Barea de Madagascar : nandresy tamin’ny isa 1 noho 0

0

Nibata fandreseana nanoloana ny ekipan’i Éthiopie tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea de Madagascar nandritra ny lalao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany. Tonga maro ny mpakafy baolina kitra notronin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara RAJOELINA Andry, nilamina ny fikarakarana. Notoloran’ny fitondram-panjakana fahatsiarovana manokana i Faneva Ima androany.