Bazar Ambonara – Nosy Be : naiditra anatiny avokoa ireo mpivarotra

0

Tsy ekena intsony ny fisian’ireo mpivarotra ivelany. Araka izany, naiditra anatin’ny tsena avokoa ireo mpivarotra manodidina ny 200 teo ivelan’ny Bazar Ambonara Nosy Be taorian’ny fanadiovana sy ny fandrarahana ranom-panafody ny tsena. Tanjona ny fanatsarana sy fanomezana endrika ny tanàna hoy ny eo anivon’ny kaominina.