Bealanana : tanora miisa 42 nahavita fiofanana hanamboatra lalana

0

Miisa 42 ireo tanora nahazo fiofanana hamaky vato, hamaky sy hametaka Pavé ao Bealanana. Fiofanana izay nokarakarain’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa sy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana. Afaka miasa avy hatrany ireo tanora ireo ary manana ny traikefa takiana amin’izany.