BENAIVO Andrianaly Narcisse : izy no hisolotena ireo Solombavambahoaka eny amin’ny CENI

0

BENAIVO Andrianaly Narcisse no nosafidin’ireo Solombavambahoaka hisolotena azy ireo eny anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana CENI, araka ny fifidianana notanterahin’ireo Solombavambahoaka androany teny amin’ny fivoriana ara-potoana. Hisolo ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI avy hatrany izy ary hanapitra ny fepotoam-piasana hatramin’ny volana oktobra 2021. Na teo aza ny fifanolanana nisy teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mahakasika ny fanatanterahana ny « Vote par procuration » ho an’ireo Solombavamlbahoaka tsy tonga, nizotra ampilaminana ny fifidianana.