Betroka : Iza no maniry tsy hisian’ny fandriampahalemana?

0

Manoloana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Betroka, tsy mandray andraikitra ny zandarimariam-pirenena any an-toerana hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’iny faritra iny, izay mitaky ny fialan’ny tomponandraikitra. Ankilany kosa ny zandary milaza fa misy olona akaikin’ny olomboafidy any Betroka voarohirohy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo.