Ceni : lisi-pifidianana iray no nampiasaina tamin’ny fifidianana roa farany teo

0

Namaly avy hatrany ny fangatahan’ny kandidà RANDRIAMASINORO Rina ny CENI. Nambaran’ny CENI fa lisi-pifidianana iray ihany no nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo. Ho an’ireo izay miahiahy, azon’izy ireo atao ny manamarina eny anivon’ny fokontany, ny Commission Electorale du District, ary eny anivon’ny CENI.