CENI : tontosa avokoa ny an-tsapakan’ny laharana anaty biletà tokana

0

Tontosa androany avokoa ny fisarihana ny laharana entin’ireo kandidà mpifaninana amin’ny fifidianana kaominaly ao anaty bileta tokana manerana an’i Madagasikara. Fisarihana roa samihafa no notanterahina amin’ny maha fifidianana roa samihafa ny 27 novambra izao, fepetra roa samihafa ihany koa no hanatanterahana ny fifidianana raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CENI.