Centre Sainte Marie : mandray ireo zaza tandindomin-doza

0

Maro ireo zaza tandindomin-doza eto amintsika ka tokony ho jerena akaiky hoy i RAHANTAMALALA Irène, izay mpanorina ny ivon-toerana Sainte Marie eny Tsimialonjafy Mahamasina. Izy ireo izay nandray an-tanana ireo zaza tandindomin-doza eto Andrenivohitra nanomboka ny taona 1988 ary mamerina izany amin’ny Ray aman-dReniny rehefa salama sy tomady tsara ny zaza, ary afaka manohy ny fitaizana ireo ray sy reny niteraka azy.