CFM : mila hampafantarina ny vahoaka ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena

0

Mila hampafantarina ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny lalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena mialohan’ny hirosoana amin’ny dingana fampihavanana marina araka ny nambaran’ny filohan’ny CFM io maraina io, nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny FFM teo aloha sy ny filohan’ny CFM vaovao. Lafin-javatra maro ihany koa no tsy maintsy jerena amin’ny fanatanterahana izany fampihavanam-pirenena izany.