Claudine Razaimamonjy : tsy mbola hijoro ato ho ato ny komisiona manokana.

0

Tsy mbola voafaritra ny fepotoana hiantsoan’ny mpampanoa lalàna ambony ny komisiona manokana handinika ny fe-potoana hitanana an’i Claudine Razaimamonjy any amin’ny hopitaly na tsia. Ankilany, tafiakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity raharaha ity izay hitakiana ny marina mikasika ny fanodikodinam-bola anarivony tapitrisa ariary.