Concours ENMG : nofoanana tanteraka hoy ny minisitry ny Fitsarana

0

Nofoanana tanteraka ny fifaninanana hiditra ho mpitsara sy mpirakidraharaha farany teo hoy ny minisitry ny fitsarana nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Efa vita ny fanadihadiana teo anivon’ny ministera, ary miandry ny any amin’ny Bianco sy ny PAC na ny Pole Anti-Corruption. Voaporofo fa nisy ny kolikoly sy ny tsy fetezana teo amin’ny fikarakarana ny fifaninanana.