Coronavirus : manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fitiliana ao amin’ny « IPM »

0

Manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fanaovana ny  fitiliana  ny valan’aretina Coronavirus ao amin’ny Institut pasteur de Madagascar raha ny angom-baovao natao andronay. Tsy manao fitiliana sigana mivantana kosa ny eo anivon’ny Centre d’infectiologie Charles Mérieux.  Efa misy ihany koa amin’izao fotroana izao orinasa tsy miankina mivarotra test TDR amin’ireo orinasa izay manana  « structure médicale »  ka 54.000 Ariary ny iray amin’izany.