COVID-19 : entitra ny fanara-hamaso mivoaka sy ny miditra an’Analamanga

0

Entitra ny fanara-hamaso ny fivoahana sy ny fidirana ny faritr’Analamanga nanomboka ny Alatsinainy lasa teo. Ireo manana anton-dia mazava sisa no mifamezivezy raha ny fanadihadiana teny anivon’ny Barrage Sanitaire Ambatomirahavavy. Mialohan’ny fizahana eny anivon’ny Barrage Sanitaire, isany antontan-taratasy takian’ny mpitandro ny filaminana ny fanamarinam-ponenana na ny karapanondro. Lesoka amin’ny fanatanterahana ny asa araka ny tokony ho izy ankilany ny tsy fahampiana ara-pitaovana.