COVID-19 : miankina amin’ny soritr’aretina ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana

0

Ny fisehon’ny valan’aretina amin’ny marary no handraisan’ny Centre Médical Covid-19 Andohatapenaka ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana. Ny marary anatin’ny fahasarotana no tazonina eny an-toerana ary afaka hanaovana ny fitsaboana araha-maso na ny Essai clinique. Ny marary tsy ahitana soritr’aretina goavana no afaka tsaboina any an-trano, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Isany mampitaraina ny maro hatrany ankilany ny fiandrasana ny valin’ny fitiliana izay mitarazoka tsy araka ny fanamby napetraka.