Covid-19 : misy tsy manaja ny toromarika hisorohana ny valan’aretina

0

Mbola maro amin’ny mponina eny anivon’ny fokontany no tsy manaraka ny fepetra sy ny toromarika hifehezana ny mety ho fihanaky ny Covid-19. Lohalaharana amin’izany ny fanajana ny elanelana 1 metatra na izany eny antsena na amin’ny sehatra maro. Namafisina arak’izany ny fanentana eny ifotony ka sefom-pokontany 34 ao anatin’ny boriboritany faha-3 no nahazo fiofanana androany.