COVID-19 : tonga ny fitaovana hanatsarana ny fitsaboana avy amin’ny CHU La Réunion

0

Nigadona androany tetsy Ivato ny fitaovana hanamafisana ny ady amin’ny Covid-19 avy amin’ny CHU an’i La Réunion. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana ny marary ny fampitaovana hoy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka. Hitohy amin’ny lafiny maro ny fiaraha-miasa ka isan’izany ny fandefasana mpitsabo hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ny marary eny anivon’ny toeram-pitsaboana, hoy ny masoihohon’i La frantsa.