Discours ANR

0

Vonona ny hametraka endrika sy fomba fijery vaovao mahakasika ny fanaovana politika eto Madagasikara ny filohampirenena Andry RAJOELINA nandritra ny fandraisam-pitenenana voalohany nataony omaly. Namafisiny hatrany fa hipetraka ho filohan’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tenany ary ny hitondra ny tena fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Nametraka ny fisaorana ho an’ireo rafi-panjakana nikarakarana ny fifidianana sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky vlo ihany koa ny filohampirenena Andry Nirina RAJOELINA.