EDITO

0

Fahadisoana teo amin’ny fampidirana ireo tarehimarika no anton’ilay resabe teo amin’ny tsenambarom-panjakana taona 2016 raha ny fanazavana nomen’ny Tale jeneralin’ny ARMP ny zoma teo ka niampy aotra telo ny sora-bola. Fa inona no nahadondona sy nahamaika ny namoahana iny tatitry ny tsenambarom-panjakana 2016 iny ka nahatonga ny fahadisoana ? Iza no nanery satria raha ny tokony ho izy tsy hamehana ny famoahana azy iny.