EDITO

0

Maika avokoa ny fanarenana ny tsy fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny ady tany, ny kolikoly, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny takaitra navelan’ny rivo-doza AVA, nefa hatramin’izao tsy hita mazava ny drafitra sy programa ary politika mazava avy amin’ny mpitondra hanarenana ireo notanisaina ho maharary ny vahoaka indrindra ireo. Kabary sy fihetsiketsehana no betsaka fa izany hoe : « gouverner, c’est prévoir », tsy ho hita amin’ity fitondrana HVM ity, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy.