Edito

0

Hita soritra ny finiavan’ny mpitondra hiasa ho an’ny vahoaka sy hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo velirano 13 izay nosokajiana ho 5 mazava tsara. Tamin’ity herinandro ity, naroso teny anivon’ny antenimierampirenena ny politikampanjakana ankapobeny. Teboka maro anatin’izany no maneho ny fahavononana izay efa nambaran’ny filohan’ny repoblika : “asa fa tsy kabary”. Fampanantenana maro no ho tanteraka ato anatin’ny herinandro vitsy.