EDITO du 04 mai 2019

0

Tsy kobaka ambava na fampanantenana poakaty toy ny nisy hatrizay no iainan’ny firenena ankehitriny. Mitana ny teny nomeny sy ny fampanantenana nomeny ny vahoaka ny mpitondra. Hajaina ny lalàna velona misy eto @ firenena. Tsy afangaro ny raharaham-panjakana sy ny any Antoko ka miatra ny tsy fiandanian’ny fanjakana @ raharaham-pifidianana. Hajaina ny fahalalahana maneho hevitra anaty fifanajana tanteraka. Ho mariky ny fitondrana tsara tantana, atao anaty mangarahara ho fanta-bahoaka ny fiaraha-miasan’ny fanjakana @ mpamatsy vola mahazatra sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsapan’ny vahoaka avy hatrany ny ezaka atao.