Edito du 17 novembre 2018

0

Tontosa iny ny andraikitry ny CENI. Natolony androany ilay voka-pifidianana Filohampirenena naha be resaka tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nandeha am-pamarinana sy nagarahara tokoa ve ny fikarikarina ireo vokatra? Raha izay tokoa no izy, tsy tokony hisy ny fambolena korontana mety hiteraka krizy vaovao hampikizo fara indray ny firenena. Dingana iray ihany izay no tontosa fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tompon-teny farany, ary hamoaka ny vokatra ofisialy fara-fahatarany afaka 9 andro.