Etazonia : niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo

0

Namoaka fanambarana niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo i Etazonia, amin’ny alalan’ny Masoivoho monina sy miasa eto Madagasikara. Ny Governemanta amerikana, amin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana ho an’ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), dia mamatsy vola mitentina 57 tapitrisa dolara amin’ny alàlan’ny tetikasa samihafa hanampiana an’i Madagasikara hiaro ny zava-manan’aina sy ny ala tsy manam-paharoa ao aminy.