Manoloana ilay famoahana an’i Claudine RAZAIMAMONJY tany amin’ny nosy Maurice. Voahitsakitsaka ny lalàna, ary olom-panjakana ihany no manatanteraka izany fandikan-dalàna izany. Mametra-panontaniana vokatr’izany ny mpanara-baovao, inona no fifamatorana misy eo amin’ny filohampirenena sy ireo mpanolon-tsaina azy.