eVisa: Iza avy no tomponantoka ?

0

Araka ny vaovao efa narahina teto amin’ny Kolo Tv, nanomboka tamin’ity taona 2018 ity ny fakana ny vola alaina amin’ny visa eny amin’ny seran-tsambo sy seranam-piaramanidina ataon’ny orinasa tsy miankina iray izay nataon’ny sampandraharaham-panjakana teo aloha. Mpandraharaha mpanolontsainan’ny filohampirenena iray no voalaza ho tompon’ilay orinasa mandray io vola io.