Fahavitsian’ny kandidà – Fifidianana Kaominaly : fomban-javatra ihany

0

24 ora latsaka tsy hikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana Kaominaly, manodidina ny 10% ny kaominina manerana ny Nosy ihany no mbola nisy kandidà mpifaninana nanatitra ny antontan-taratasy firotsahany. Fomban-javatra efa mpitranga teto amin’ny firenena ny toy izany, hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana, ka tsy tokony hatao hanaitra. Fanampim-panazavana.