Faktiora – vidin’ny rano ao Betafo Antsirabe : mahatratra hatramin’ny 6 hetsy ariary ny iray volana

0

Aman’hetsiny ariary isam-bola ny vidin-drano aloan’ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny Distrikan’I Betafo, kominina ambonivohitra tato anatin’ny volana maro. Fiakarana miopapana izay ambaran’ny mpanjifa tsy manara-dalàna. Nohon’ny fifandirana eo amin’ny mpanjifa sy ny mpamatsy rano, ahiana hiteraka korontana any an-toerana ity olan’ny rano ity.