Famangian’i Pape François : nivoaka androany ny fandaharam-potoana

0

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fandaharam-potoanan’ i Papa François mandritra ny fitsidihiny an’i Madagasikara. Ny faha-6 ny volana septambra i Papa François no higadona eto Madagasikara. Fitsidihana sy fandaharam-potoana maro samihafa no hotanterahiny mandritra io famangiany an’I Madagasikara io.