Fampiakarana ny vidin-jiro : tokony hihatra amin’ny rehetra, hoy ny CREM

0

Tsy azo ihodivirana hanarenana ny orinasa JIRAMA ny fampiakarana ny vidin’ny herinaratra araka ny soso-kevitra naroson’ny banky iraisampirenena omaly. Niombon-kevitra amin’izany ny faribolan’ny mpandalina ny toekarena eto Madagasikara, saingy namafisiny ny tokony hampiharana izany ho an’ny mpanjifa tsy ankanavaka.