Fampihavanam-pirenena: Tokony miainga avy any ifotony

0

Tokony miainga eny ifotony ny fametrahana ny fampihavanam-pirenena raha ny hevitry ny filoha teo aloha ny Profesora Zafy Albert raha ny fanazavana nentin’ny fianakaviany ny alakamisy teo. Tsy ekeny ny endrika nitondrana ny fampihavanam-pirenena teto raha ny fanazavana hatrany. Toetra hiainana amin’ny andavanandro no tokony handraisana ny fampihavanana fa tsy amin’ny fotoana voafetra ihany, raha ny fotokevitra nentin’io filoha teo aloha io.