Fanadinam-panjakana BEPC : nizotra araka ny tokony ho izy

0

Niatomboka androany Alatsinainy faha-09 septambra ka hifarana ny Alakamisy faha-12 septambra ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC. Amin’ny ankapobeany, nizotra araka ny tokony ho izy ny fananadinana raha ny androany. Ny taranja mathematika sy ny taranja anglais no tena atahoran’ireo mpiadina, raha ny fanadihadiana natao.