Fanadinam-panjakana : milamina ny fanomanana rehetra.

0

Milamina avokoa ny fanomanana sy ny fikarakarana rehetra hahafahan’ny mpianatra miatrika ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-pianarana 2018 – 2019 hoy ny minisitra tomponandriakitra. Ity farany izay nanamafy hatrany fa mila miomana hiatrika am-pitoniana ny fanadinana ireo mpianatra sy mpampianatra. Ho an’ny CAE sy ny CAP/EP ohatra, vita androany ny fanomanana ny Laza adina.