Fanakatsakanana ny fifidianana : tampina ny daomin’ireo mpanakorontana

0

Mitohy vakana ny fanampian’ireo firenena vahiny an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ny fifidianana Filohampirenena mialohan’ny fotoana eto amintsika. Ankoatra ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ireo dia tsy sasatra ny manambara ihany koa izy ireo fa mizotra tsara ny fanomanana ny fifidianana ary ny fanatontosana fifidianana ihany no vahaolana ho an’ny Malagasy.