Fananana iombonana : tokony ho sarotiny amin’ny fiarovana azy ireny ny tsirairay

0

Maro amin’ireo mpampiasa lalana no tsy manaja ireo lalana asiam-panamboarana amin’izao fotoana izao raha ny tsikaritry ny talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Tokony ho sarotiny amin’ireny fananana iombonana ireny ny olompirenena tsirairay, hifampiteny sy hikojakoja azy ireny raha ny fanazavana.