Fanatsarana sisin-dalana : miverina amin’ny CUA ny vato tamin’ny sisin-dalana sy ny « Pavé » noesorina

0

Vita avokoa amin’izao fotoana izao ny ampahany betsaka amin’ny fanatsarana ny sisin-dalana tafiditra anatin’ny tetikasa fanamboarana ny lalana mivoaka amin’ny RN1, RN2, RN3, RN4, RN7, eo ihany koa ny lalana eny Itaosy sy Avarabohitra. Miverina amin’ny kaominina Antananarivo ankilany ireo vato tamin’ny sisin-dalana sy ny pavé nohesorina rehetra teto Antananarivo, ary eny Antsakaviro no hitoeran’izay.