Fanavaozana ny lisi-pifidianana : distrika 9 amin’ny 119 ihany no ahitana fahavitrihana

0

Amin’ny faha 15 Febroary ho avy izao no hifarana ny fisoratana anarana hoan’ireo izay tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana sy ny fanesorana ireo anarana izay tsy tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana intsony. Marisa ny fahazotoan’ny olona amin’ity hetsika ity raha 9 amin’ireo distrika 119 manerana ny nosy ihany no ahitana fahazotoana hatreto.