Fanavaozana ny lisi-pifidianana : mila atevenina ny fanentanana eny anivon’ny fokontany

0

Marisarisa ny vahoaka eny anivon’ny fokontany amin’ny fanoratana na fanitsiana ny anarany amin’izao fotoam-panavaozana ny lisitry ny mpifidy izao. Samy manana ny tetika ampiasainy ny eny anivon’ny fokontany hamporisihana ny vahoaka amin’ity fanavaozana ny lisi-pifidianana ity. Ny fanentanana no tokony hamafisina raha ny fanadihadiana natao.