Fandaharan’asa « PACE » : nahazo famatsiam-bola manodidina ny 14 tapitrisa dolara

0

Nahazo famatsiam-bola manodidina ny 14 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD ny tetikasa PACE na ny PROGRAMME D’APPUI A LA COMPETITIVITE ECONOMIQUE. Tanjona ny fanatsarana ny lafiny toekarena amin’ny ankapobeny. Isany hojerena akaiky ny lafiny fampiasam-bola, ny sehatry ny famokarana herinaratra, ny fitatera sy ny fanodinam-bokatra eto Madagasikara.