Lany teny anivon’ny Antenimierampirenena androany ny volavolan-dalàna laharana 009/2020 mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020. Resy lahatra tamin’ny votoatin’ny LFR 2020 ny ankamaroan’ny solombavambahoaka ka 94 no nandany azy taorian’ny fanazavana nentin’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.