Fandoavan-ketra eto Madagasikara : hisy fanavaozana

0

Mitotaly manodidina ny 300miliara ariary ny hetran’ny orinasa mbola tsy voaloa eto Madagasikara. Hisy ny fanavaozana ho raisina hanatsarana ny fandoavan-ketra manerana ny Nosy. Mandray anjara ao anatin’ny seminera atrehin’ireo mpanara-maso ny hetra avy amin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny CREDAF isika eto Madagasikara. Tombony maro no ho azo aorian’izay.