Fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra : Tsy ampiharin’ny mpitondra ny fanapahan-kevitry ny HCC

0

Nandefa taratasy tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny firenena ny antoko Malagasy Miara Miainga, ho fampatsiahivina ny fampiharana ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorena roa volana lasa izay, momba ny fanendrena ny lehiben’ny mpanohitra. Tsy misy mangaraharaha etsy ankilany izay ny fitantanana eto Madagasikara, indrindra taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo anivon’ny firenena Malagasy sy Turc.