Fanitarana ny haino amanjery any amin’ny faritra : Mila manara-dalàna

0

Fanontaniana manokana napetraky ny mpanao gazety teto anivon’ny KOLO Tv tamin’ny filohan’ny repoblika ny sabotsy teo nandritra ny fihaonana teo amin’ny mpanao gazety sy ny filohampirenena, ny mikasika ny fahazoan-dalana manitatra haino amanjery any amin’ny faritra. Azon’ny rehetra atao ny manao izany raha manaraka ny lalàna raha ny voalazany. Tsy izany anefa ny zava-misy raha ny hita eto amin’ny firenena.