Fanjakan’ny kolikoly : Laharana faha 155 amin’ny firenena 180 i Madagasikara

0

Nihemotra laharana 7 raha oharina ny taon-dasa ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny firenena ahitana kolikoly, araka ny vokatry ny IPC na ny Indice de Perception de la Corruption. Nihena 2 ihany koa ny isa azo teo amin’ izay ady amin’ny kolikoly izay. Ireo trangana kolikoly nataona olona akaiky ny fitondrana sy ireo raharaha maro eo anivon’ny sehatrasam-panjakana samihafa , nahitana endrika kolikoly no isan’ny nahatonga ny toeran’i Madagasikara ratsy hoy ny tale jeneralin’ny BIANCO.