Fanodikodinana ny volam-panjakana : andrasana ny fanasaziana ireo voakasik’izany

0

Andrasana amin’ity taona 2020 ity ny fanasaziana ireo nanao kolikoly nambotry firenena sy nanodikodina ny volam-panjakana teo amin’ny fitondrana teo aloha. Taorian’i Caludine RAZAIMAMONJY, handray an-tanana izany ny eo anivon’ny PAC na ny Pôle anti-corruption sy ny HCJ na ny Haute Cour de Justice.