Fiantsonana tsy ara-dalàna : tsy misy vahaolana azo tsapain-tanana avy amin’ny kaominina

0

Tsy manana vahaolana azo tsapain-tanana momba ny toeram-piantsonana na parking ny kaominina – Antananarivo. Tsy mifanaraka amin’ny filana ny fepetra noraisiny niaraka tamin’ny orinasa tsy miankina misahana izany hoy ireo mpampiasa lalana. Ny fanamafisana ny lalàna sy sazy ankilany no vahaolana naroson’ny teknisianina momba ny toeram-piantsonana.