Fiantsonan’ny fiara : isan’ny fototra mampitohana ny fifamoivoizana

0

Ny toerana misy ireo fiantsonan’ny fiara na ny « parking » no isan’ny fototra iray mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana maharitra ora maro eto Antananarivo renivohitra, hoy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Efa nisy ny antso natao tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra handinihina izany, saingy hatreto, tsy nisy ny fandraisan’andraikitra.